jeudi 20 juin 2019

Rahoviana ihany re ?


Hiandry lalàna ve vao ho marina,
Ka mila taraina vao afaka hanarina ?


Hiandry taritina ve vao hanainga,
Ndrao re tsisy mpitarika vao lany lainga ?


Hiandry tairina ve vao hifoha
Ka tsy mba hiezaka ny ho taitra aloha ?


Hiandry atosika ve vao handroso,
Injay fa gaga rehefa mikoroso ? 


Hiandry baikoana ve vao hanao,
Ka tsy mba mikaroka izay tokony ho atao ?


Hiandry velomina ve vao hiaina,
Ka mila atoro ny zavatra ilaina ?


Hiandry tiavina ve vao ho tia,
Sao dia lasa ambom-po ilay tena fitia ?


Mila mijery ve vao mahita mamiratra ?
Tsy gaga aho raha jamba no tena mahiratra !



Mila atoro ve vao tena mahare,
Moa tsy ny mihaino va no zava-dehibe ?


Hiandry kotaba ve vao mahay mangina,
Ka ny savorovoro indray no mahaliana ?


Tratry ny tery ve vao mitady malàlaka,
Iza amin'izany no tsy mba ho valaka ?


Mila ditra ve vao fahendrena,
Sa mila tenenina vao ahatsapa tena ?


Hiandry saziana ve vao ho fay,
Ka mila lesona izay vao mahay ?


Hiandry voadona ve vao hihilana,
Ka variana miady amin'ny ity zara vilana ? 


Ndrao lany andro amin'ny fialamboly !
Ka hiandry mosary vao ndeha aho hamboly.


Mila mangataka foana va re !
Sa mila tolorana vao hanome ?


Omeo omeo foana toy ny fanaon'ny saka
Ka tsy mba hitsemboka aloha izay vao mba maka !


Miandry tolorana ve vao hizara,
Ho zatra ny omeo, izay vao ho tara ?


Sa nampanantenaina ny màna hilatsaka !
Ka tsy mba hiompy sy tsy mba hatsàka ?


Rahoviana no hifaly amin'izay kely anànana,
Ka hankasitraka amin'izay kely an-tànana ?


Hiandry tsaboina ve vao te ho salama,
Toy ireo marokoroko mba te halàmalàma ?


Hiandry rahoviana vao mba haka aina
Sa aleo ho voalàtsa, avy eo maka saina ?


Hiandry sambatra ve vao hifaly,
Avy eo tonga saina rehefa mijaly ?


Tsingerin-taona ve vao ndeha hankafy
Ny tena hamamin'ny ity fiainana ity ?


Iandrasana ho potika ve vao ho kojaina
Rehefa sahirana avy eo mitaraina ?


Sa ve iandrasana ho an-tanan'ny hafa ?
Vao ho fantatra ny tena hatsaràny.


Rahoviana ihany vao tsy hanao ampitso lava,
Toa variana mifanjàna sy mifampiandry ?


Indro variana manjeny ny andro ho lava,
Nandalo ihany ny taona, tsy hita hoe ahoana.


Asa? zatra miandry tokoa va re ?
Ka iandràsana foana, rahoviana ihany re ?


Mi.
Sept 09.

Aucun commentaire: