mercredi 25 novembre 2009

Kely mitondra entana ...

Kely mitondra entana
Ity reny mananon-tena
Mizaka ny tsy eran'ny aina
Nefa tsy mba mitaraina.

Nandimby ny iray tsy satry
Sady lahy nefa vavy
Tsy mitarain-tàna-miempaka
Rehefa iny kandra mila ezaka.

Iny mitondra 'ty entan-kely
Rehefa avy eny an-tsenakely
Toa manaitra tsy maha-sorena
Mivingitra ity mofo toa hena.

Mibata izato amboara
Izay tàzana avy ato afara
Mampihontsana ireo terena
Modiana fanina, tsy jerena.

Navesatr'entana izay tsy izy
Tamin'ny nitondràna ireto ankizy
Folo volana ngarangidiny
Isan'ny tontolo nofinidiny.


Miloloha harona an-tsobika
No mibaby tanatin'ny hatsiaka
Mitrotro ireto aina sy harena
Ho olom-banona sesehena.


Tena manambàka daka
Mihoatra ireo tady mahazaka.
Mampitraka ireo maratra
Lesona ho an'izay tsy zatra.

Manome hery ireo tena ory
Mampiesona ireo tsy matory
Mampirevy ireo vanàka
No mampihomehy ireo sanàna.

Tena kely mitondra entana
Fa tsy hoe entana mitondra be
Iza re no ahazaka izany
Raha tsy 'ty reny 'ty ihany ?

Mi. 2009



2 commentaires:

Anonyme a dit…

Hmm! Bon gout!

Miary a dit…

... tu veux essayer aussi ?