mercredi 4 novembre 2009

Salady nanal'azy ...

Ndeha isika hanal'azy
'Ty sangy sary anaty vazy,
Ka tsisy sahy handeha ho azy
Satria samy te tonga ho Azy.


Ndao asina dona kely
Sady koa hampiady angely,
Hikisina sy hamely
Ho antsika roa irery.


Hita mihintsy fa hanao azy
Toy ny andro mariazy,
Amin'lay tsy mahavoa sazy
Sy tsy atao rainazy.


Ndao isika hanala hamohamo
Dieny mbola tsy mamo,
Amin'lay tsy maha kamo
Na fampiesonana angano.


Aiza tsika no hankafy,
Izato tsiron'ny fitia?
Aleo isika hana-mora
Hifanaikitra fatsora.


Etsy kely ange r'ise
Aza atao an'ilay mapmé,
Sy mampangilika ny fe
Ary mampisikotra kofehy.


Ny tena tsy hoe ampy jaly
Sady tsy hampijaly tena,
Toy ny saka hiondan-kena
Na nofon-kena an-tànan-tsaka.


'Ty zà efa rara-kivy
Amin'ito mamy sy angivy,
Zà efa bitaka izay tsy izy
Zary itokizan'ny ankizy.


Aleo hanao ny azafady
Rehefa tena mafy ny ady,
'Ty tary kely noana
Mba tsy hanaonao foana.


Tsy hilofika aho akory
Alohan'ny ahitàna tory,
Fa mbola hanala mangididy sorisory
An'ireto taova efa ory.


Hanenjana hametraka
Rehefa hiditra ny làka
Handatsaka ireo aiko
Tongàva mafy koa ho tsenaiko.


Te hanoratra tantara
Sady hanolotra amboara,
No te hikokotr' Ao tsara
Ilay fitia tsy voarara.


Tonga ikala hanodoka
An'ito antsy fohy mafy
Namaly ny anao lahy, sodoka
Hiantsa ny vera ato akia mora.


'Ty zà efa mora taitra
Amin'azy tena raitra,
Kere zà tsy hendry laitra
Sady tonga dia mandaitra.


Zà mipenina solaitra
Izy tazako manjaitra,
Zà miondrika haka ery
Izy mitsaoka sy mandihy.


Zà voatery tsy anki-jery
Voaterin'ny entan-kely
Izy kotsa sady tena lena
Mando tsy mahafehy tena.


Zà 'ty efa dodona dia dodona
kely sisa d'efa Antongona,
Sady mila tsy voatazona
Ireto keliko tsy ampy vazony.


Raikitra ny tsy anki-kozy
Satria efa tsy ampy dozy,
Miala any ny revy miainga
Zà manaiky, tsy mandainga.


Sady mijajik'aok'zany
Tonga lanitra any ho any,
Lasa fanina ny ankany
Tena tsy hita be ny any.


Tsy nahahovoka hafiriana
Na dia be faniriana,
Fa mora ramaka razoky
Hay salady mora voky!


Mi. 2009

Aucun commentaire: