jeudi 5 novembre 2009

Mpamily Betaks ...

Zà zao rehefa lehibe
Ndeha hitondra taxiBe
Satria any izao no misy sôsy
No sady afaka miraozy.


Tsy mila manao Auto-Ecole
Fa tonga dia manao goal
Mianatra mibaiko ny mpamily
Rehefa hijanona sy hivily.


Tsy ankànao klinôtà
Fa tonga dé avily ny vôlà
Tsy misaotra amin'ny détresy
Manjary oainina fa hoe resy.


Ataoko tena mandefa mafy
Amin'lay mahafaty
Hikafiriana telon-jato
Hamonoan-tena tsy ankiato.


Rehefa te hanal'azy
Dé manararaotra amboteazy
Na mbo manao vodihazo
Satria zé maka ihany no mahazo.


Ny ekolazin-ny prà
Efa ao anaty boatagà
Rehefa tonga ny ankisava
Efa ao ny tampim-bava.

Rehefa akaiky ny arrêt
Dé hitsahiko mafy be
Hijanonako tampoka 'ndray
Zà no tonga aloha amin'zay.


Mody ilaozako mihenahena
Mody iandrasako ireo mpiantsena
Mody ahemotro manena
Avy eo tomoroko mitrena.


Tsy mila mangata-dàlana
Fa tonga dia bahànana
Rehefa tafiditro ny fiara
Zay vao kopaka mosoara.


Ny kaoperativa misy anay
Dé feno sofera mahay
Tsy misy 'zay hifandefitra
Fa ny hifanitsaka no hevitra.

Zà tsy mbo hanome làlana
Na d'efa misy tsanga-tànana
Modiana fanina 'zay mangataka
Ny aoriana ao ve tsy halalaka?


Alohan'ny hody indray
Dia asina tour anakiray
Sitrany ahay misy sôsy
Mba hameno ny ao am-paosy.

Betaks aloha ny kandra misy
Taorinan'ny jonobotry sy ny bisy
Fa mety aleoko ihany midina goal
satria famerim-bola no tena baolina.


Mi. 2009




Aucun commentaire: